Filazana manjo - FPMA Nice, fianakaviana RAZAFITSOMA

"Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony." (Filipiana 1 : 21)

Ry Havana,
Amin’ny finoana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay no ampandrenesanay anareo ny niantsoan’Andriamanitra ny Mpanompony

RAZAFITSOMA Antoine Christophe
MPIANDRY

Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, Filoha Mpanampy Sampana Fifohazana, Mpampianatra Sekoly Alahady, Mpampianatra Sekoly Alahadin’ny Olon-dehibe, Mpikambana ao amin'ny Antoko Mpihira Akon’ny Fiderana eto amin'ny Tafo Nice. Animateur (teo aloha) : Sampana Sekoly Alahady nasiônaly.

Ny razana dia hampodiana sy halevina any Madagasikara.
Holazaina ao aoriana ny fandaminana rehetra.

Lien "cagnotte" : https://www.leetchi.com/c/soutien-a-la-famille-razafitsoma

Maniry ny fitondranareo ny fianakaviana sy ny Fiangonana amim-bavaka.
Amin’ny anaran’ny fianakaviana sy ny FPMA Nice,
RAJARISOA Faralalao, Mpitandrina
RAKOTOMALALA Bakoly, Filoha