FISAORANA CHOEURUNI (Komity)

"Misaora amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon' Andriamanitra ao amin' i Kristy Jesosy, ho anareo" (1 Tesaloniana 5 : 18)

Ry havana malala ao amin'ny Tompo,
Izany no voalohanteny entina misaotra sy midera an'Andriamanitra, tamin'ny nahatanterahantsika ny fandraisana ny Choeur Uni 2014 teto Lyon.

Misaotra ny Tompo tokoa isika noho ny fiantrany sy fanatrehany fa tontosa ny asa rehetra natao tamin'izany, eny fa na dia teo ihany koa aza ny tsy fahanaterahana samihafa.

Ary fifaliana ny mampita aminareo ny tamin'ny naharaisana, ireo taratasy fisaorana sy fankasitrahana maro samihafa voaray, avy amin'ireo biraon' ny antoko mpihira isan-tafo, biraon'ny AMF eto amin'ny faritany atsimo atsinanana,filohan'na tafo, biraon'ny faritany atsimo atsinanana,

Izany tokoa no tanteraka dia teo ny Firaisan-kina, koa dia mankasitraka sy mankatelina ary misaotra betsaka indrindra Tompoko.
Andriamanitry ny Fiadanana anie hamaly Fitia anareo tsirairay avy.

Misaotra tamin' ny fanetren-tena ; vola aman-karena ; herintsaina ; herim-po ; fotoana.Teo ihany koa ny : fandaozana tokantrano ; ankohonana ; asa aman-draharaha. Tsy fisakafoanana ; tsy fatoriana sy ny maro samihafa...

"Aina" tany anatinareo no natolotrareo ho an'ny asan'ny Tompo, tamin'ny fanantontosana rehetra, ny fanekenareo hirotsaka, ny fiaretanareo koa zavatra maro isan-karazany : izay mety tsy fantatra amin'ny antsimpiriany.

Ny finoanantsika dia Izy Tompo, feno fahefana, hanarina izay rava, hampody ny aina, hampiarina izay trotraka, hampiboiboika ny loharanom-pahasoavany aminareo.

Ka hody fifaliana avokoa ny zavatra rehetra. Ny Fanahy Masina no anankinantsika ny Fiangonana, hahazo aina, ka hitory ny fahagagana izay miharihary amintsika.

Mbola ho avy ny fotoana hijoroan'ny tsirairay vavolombelona.

Torak'izany koa ny fifamelana noho ny tsy fahatanterahana samihafa, ka mba ho tanteraka tokoa anie ny maha Mpianatr'i Kristy antsika, fa tsy ho sarintsariny fotsiny ihany. Ka AINA VAOVAO sy HERY VAOVAO no omeny antsika, amin'ny fitoriana ny vaovao mahafaly, izay anirahany antsika.

Koa ho setrin'izany dia :

Manasa antsika mpianakavin'ny finoana, havana aman-tsakaiza, niara-nisalahy tamintsika, mpanohana antsika, ho tonga hisaotra an'Andriamanitra, hifampitrotro am-bavaka, sy hiara hifampizara ny sakafom-pirahalahiana, amin'ny
sabotsy 21 jona amin'ny 19 ora (aorian'ny hetsika ataon'ny Sekoly Alahady). Ny toerana dia eto amin'ny Espace Protestant Théodore Monod.

Ny commission manokana mikarakara ny fotoana dia efa mitsangana, ka isika izay maniry hiara-midinika ny fanatontosana izao fotoana izao dia afaka manatona ireo olona ireto : Lalatiana Rabenakambanarivo, Léa Debion, James Andrianavalona.

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany

Amin'ny anaran'ny komitin'ny Tafo FPMA Lyon
Alexandre Debion.

Imprimer