Fiantsoana Fiofanana Fitantanana ara-bola

Miarahaba antsika amin'ny anaran'ny Tompo,

Ny Filoha ny Faritany : Tiana Razafindrabe
Ny Mpitandrina Mpandrindra : Jeannot Randrianandrasana
Sy ny Birao rehetra

 Ho an'ny mpitandrina, ny filoha sy ny mpiandraikitra tafo sy mpiandraikitra sampana
Ho an'ny mpiandraikitra sampana iraisana
eto amin'ny faritany Atsimo atsinanana.

Tompoko

Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'i Jesoa Kristiy Tompontsika.

Ho tohin'ny fihofanana fitantanambola tany Nice tamin'ny 29 martsa teo, izay natrehan'ny mpihofana 30 avy amin'ny tafo efatra eto amin'ny faritany, dia ho averina ho tanterahana amin'ny Sabotsy 27 septambra izao izany.

Mbola isaorantsika ny Tompo lehibe ny amin'ny naneken'ny mpampihofana amin'ny io fotoana izy io.

Atoa Ranaivosoa Heriharijaona no hitondra ny fiofanana arak'izao fandaharana izao :

- Fampianarana momba ny "comptabilité associatif" mifanaraka amin'ny "associations cultuelles"
- Fampiharana avy hatrany amin'ny fampiasana logiciel "tahiry".

Amporisihina ireo izay manana solontsaina (PC portable) hitondra izany amin'ny fampiharana.

Ny toerana hanaovana ny fiofanana :

Espace Protestant Théodore Monnod
22, rue Romain Roland
69120 VAULX EN VELIN (LYON)


Ny fiofanana dia hanasana ireo mpiandraikitra rehetra ao amin'ny tafo rehetra sy ireo rehetra maniry hanaraka izany.

Ny fiofanana dia hamomboka amin'ny 10 ora maraina hatramin'ny 5 ora hariva.

Indro ny rohy hanaovana ny fisoratana anarana hatramin'ny alarobia 23 septambra.

https://docs.google.com/forms/d/1HWAi9Q3ErAWz4HJg__Oh0DDZPjIEbt-rAwJF5ZdssUk/viewform

Hisy fandraisana anjara 5 € amin'ny fikarakarana ny sakafo atoandro.

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra Irery ihany

Amin'ny anaran'ny Soritrasa Laika Faritany Atsimo Atsinanana

Andry Rabehasy (Rabe)
Jean-Solo Rafidinarivo (Fidy)
Serge Rajaofetra

Imprimer