Antso SVK - 6 desambra 2014
Fiantsoana Fivoriana
Hasaina isika vehivavy rehetra,na mpikambana izany na tsia ho tonga hanatrika ny fivoriana fanao isam-bolan'ny SVK ny asabotsy 6 desambra 2014 manomboka amin'ny 2 ora sy sasany ka hatramin'ny 4 ora sy sasany eto amin'ny EPTM Vaulx en Velin.
Ny ray aman-dreny mpitandrina no hitondra fampianarana mialohan'ny fivoriana.
Marihina fa hisy atelier fanaovana gâteau amin'io andro io koa ireo rehetra maniry hanatrika izany dia tsara raha tonga amin'ny 1 ora sy sasany.
Tsy mitondra fitaovana fa penina sy taratasy dia ampy.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Birao SVK