Zaikabe Nasionaly Lasy SAP/KNPL

«Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra ety an-tany. »

 

Kolosiana 3, 2

 

      Io tenin’ny apostôly Paoly ho an’ny Kristiana tany Kolosia (tanàna ao amin’ny faritr’i Frygia, akaikin’i Laodikia sy Hierapoly, sahabo ho 200 km avy eo Efesosy) io no isan’ny nofidina ho teny faneva amin’izao Zaikabe sy Lasy SAP/KNPL  hataontsika FPMA izao. Nisehoam-pahasahiranana maro teo anivon’ny Fiangonana. Tsy àry voatanisantsika eto ireo, fa ny vontoatiny dia ny fampifangaroana sy fijery ny raharaha araka ny fisainanan’ny olona amin’ny fiainam-panahy eo anivon’ny Fiangonana. Ankoatra ny fananarana omen’ny apôstôly amin’ny maha-ray aman-dreny azy, dia zava-dehibe ny ijoroany ho vavolombelona, araka ny hita eo amin’ny Kolosiana 1, 9, hoe : «Izany no tsy itsaharanay mivavaka ho anareo, hatramin'ny andro nandrenesanay ny aminareo. Mangataka amin'Andriamanitra izahay mba ho feno fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, ka homena ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy Masina.» Ny hita tany Efesosy sy Laodikia izay akaiky azy, nampitandremany ny tao Kolosia ihany koa mba tsy ho  hita fa: « nihemotra tamin'ilay fitiavanao tany am-boalohany ianao…Fantatro ny asanao; fantatro fa tsy mangatsiaka tsy mafana ianao; satriko ianao mangatsiaka na mafana. » Apokalypsy 2, 4 ; 3,15.  Mety ho zava-misy eto anivon’ny FPMA, eo amin’ny fijoroantsika  ho vavolombelona eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny, amin’ny fifaneraserana amin’ny Fiangonana rahavavy, izany. Hoy ny apôstôly nampieritreritra : «Azo atao ny zavatra rehetra,

hoy aho, kanefa tsy àry mahasoa avokoa. Azo atao ny zavatra rehetra, hoy aho, kanefa tsy àry mampandroso amin'ny finoana avokoa. Aza ny soa ho an'ny tena no katsahina fa ny ho an'ny namana»1 Korintiana 10, 23-24. Manan-kambara be amintsika izany, na ho an’ny tsirairay, fa indrindra ho antsika Fiangonana. Izany no manamafy ny hifampizarantsika hoe : «Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra ety an-tany.».

 

                                                       Paris, Foiben’ny FPMA, 10 Oktôbra 2015

 

                                                  Ny Mpitandrina Synodaly, Filohan’ny FPMA,

 

                                            Pasteur Jean A. RAVALITERA, Docteur en Théologie, 

 

 

 

 

 

_______________________________________________

Synoda mailing list

Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.

https://fpma.net/mailman/listinfo/synoda

Imprimer E-mail