[ FPMA Grenoble ] - Filazana manjo, fianakaviana RANDRIANANTOANDRO

“Mangina aho ka tsy miloa-bava fa Ianao no nanao izao”
(Teny nofinidin’ny Fianakaviana ao amin’ny Salamo 39.9)

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay anareo fa nantsoin’ny Ray ho eo anilany, ny 13 desambra 2020:

Fanja Mirella ANDRIATSIVOH RANDRIANANTOANDRO (55 taona)

- zanak’i Rtoa Voahangy RANDRIANANTOANDRO, raiamandreny lehibe eto amin’ny Tafo FPMA Grenoble,
- rahavavin-dRtoa Brigitte RASOLOFONIAINA, Filoha Mpanampy eto amin’ny Tafo FPMA Grenoble,
- anakavy (cousine) an’Atoa Ando RAMANANANJANARY, Mpitantsoratra eto amin’ny Tafo FPMA Grenoble.
Ny fandaminana samihafa dia hampitaina aoriana fa mangataka ny rehetra mba hitondra am-bavaka ny fianakaviana. Azontsika hatao ny mitondra teny fampiononana amin’ny mail: Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.

Ny fanirian’ny fianakaviana dia ny handevenana ny razana any Madagasikara. Koa ho fiatrehana izany dia tsy misalasala ny fianakaviana mitodika amin’ny fahalalahan-tànan’ny rehetra. Koa araky ny Soratra Masina hoe: « mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy » (Galatiana 6.2), dia mankasitra anareo amin’ny famangiana sy fanampiana amin’ny alalan’ny

CHEQUE A L’ORDRE DE MEGAN ANDRIANTSIVOH
Adresse: 33 Rue du Général de Gaulle 94290 Villeneuve Le Roi

Na CAGNOTTE LEETCHI :
https://www.leetchi.com/c/famangyana-fanja-mirella-andriatsivoh-randrianantoandro

Manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho aminareo.

Rado Tsilavo RAKOTONIRINA
Filohan'ny Tafo (President) | FPMA Grenoble

 

Imprimer