Filazana manjo - FLME Lyon, fianakaviana RAMARIJAONA

"Sambatra ny Maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy;  fa ny asany manaraka azy"
 (Apokalipsy 14: 13 )
 
Amin'ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ilazàna amintsika fa :
Ny Ray aman-dreny 
Katekista Obermond RAMARIJAONA 
dia nodimandry ny alatsinainy 7 Febroary 2022, rehefa nivahiny 64 taona teto antany.
 
Hisy fiarahana miombom-bavaka ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fankaherezana ny fianakaviana  ao amin'ny
Chapelle n'ny  Centre funéraire Boudrier
31, rue Lavoisier 
38.300 Bourgoin-Jailleu  
 
Ny fotoana dia manomboka amin'ny 5 ora hariva ary mifarana amin'ny 8 ora alina.
Ny fandaminana rehetra  manaraka dia ho ampitaina amintsika miandalana eto. 
 
Amin'ny anaran'ny Fianakaviana, Fitandremana Grenoble,  Fiangonana FLME Lyon, Pastora, Komity ary ny mpiara-mivavaka rehetra. 
Contacts :  06.09.45.95.41 na 06.72.83.40.49
 

Fotoampivavahana

Ireo fotoampivavahana ho fisaorana sy fankaherezana ny fianakaviana dia hatao ny :
- Alarobia 9 febroary, @ 5 ora sy sasany hariva ka hatr@ 8 ora alina. Ny Pastora RAZANALISY Daniel no hitondra ny Tenin'Andriamanitra.
- Alakamisy 10 febroary, @ 5 ora sy sasany hariva ka hatr@ 8 ora alina. Ny Pastora RAZANALISY Daniel no hitondra ny Tenin'Andriamanitra.
- Alahady 13 febroary, @ 4 ora hariva any @ FLME Lyon.

Famangiana

Aorian'ny fotoampivavahana ny alarobia sy alakamisy.
Ny sabotsy sy ny andro manaraka dia any an-tokatranon'ny fianakaviana (antsoy ny 06.09.45.95.41 na 06.72.83.40.49)
Ny alatsinainy 15 febroary ny andro farany hahitana ny razana ao @ Centre funéraire.

Famangian'ny FPMA Lyon

Aorian'ny fotoampivavahana ny alakamisy 10 febroary. Isika mpiangona rehetra izay afaka no hiaraka eny an-toerana hamangy amin'ny anaran'ny fiangonana. Raha ny vinavina dia tokony manomboka @ 7 ora latsaka eo ho eo isika mpiangona, no handrasana eny an-toerana. Rehefa feno isika sy malalaka ny fotoana dia ho afaka hiroso @ famangiana isika.

Toerana

Centre funéraire Bourdier
31, rue lavoisier
38.300 Bourgoin-Jailleu

Fotoampivavahana fanaovam-beloma farany

Alohan’ny hiaingan’ny vatana mangatsika hody any antanindrazana
Alakamisy 17 febroary 2022, manomboka amin’ny 10 ora maraina tsy diso
Ao amin’ny 12, rue Fénelon, 69006 Lyon
Mitondra ny fotoana : Pastora Dr HABBERSTAD RAKOTONDRAZAKA (Filoha SPFLME)

Imprimer