Message du Pasteur

Pasteur Rakoto

Dila izay ny Taona 2021. Maro ny zava-nitranga nandritra izany taona iray manontolo izany : ny nahafaly, ny nahasosotra, ny nampalahelo koa aza. Efa nisantarantsika mianakavy indray ity ny Taombaovao 2022 tamin’ny alalan’ny Fanokanana sy Fandraisan-tanana ny diakona sy ny loholona ary ny Mpiandraikitra Sampana eto amin’ny Fiangonana. Vaninandro hafa indray izao no mivelatra eto anoloantsika. Fampahatsiahivana ny Fahazavana tokony horaisina no hafatra nampahatsiahivin’ny Krismasy, hatramin’ny Taombaovao, izay nandraisantsika ny Tenin’Andriamanitra nentin’ny Filohan’ny FPMA.

Hoan’ny Fiangonana, hoan’ny tsirairay avy

Amin’ny tonon-taona toy itony tokoa mantsy no anombohantsika, ianarantsika mampihatra izay fampianarana, fanamboarana, fanitsiana, fanatsarana, sns…Midika izany hoe :mandeha amin’ny Fahazavana izany isika izao rehefa nohazavain’ny Krismasy 2021. Izany tokoa ve ? Ny Fahazavana iainantsika mpino no Fahazavana iainan’ny Fiangonana, saingy raisintsika mpino aloha izany mba hahatonga azy ho raisin’ny Fiangonana.

Vokany eo amin’ny endriny, toetrany

Raha sanatria tsy mandray izany isika, dia tsy afaka handray kosa ny Fiangonana. Raha sanatria koa ny sasany ihany no mandray ary ny hafa kosa tsy mandray dia maloka ila izany ny Fiangonana. Araka izany dia mazava hoazy fa mitombo ny aizina ao aminy raha tsy taitra ny tompon’andraikitra tokony hitondra Fahazavana ho azy. Mbola sehatry ny Asa anatin’ny Fiangonana izany, nefa fantatsika tsara fa izao tontolo izao dia tokony ho any ivelan’ny Fiangonana. Izao endri-javatra izao no manazava amintsika ny fiangonana miady an-trano indraindray : ny sasany mazava ary te hijanona hoamin’izany ; ny hafa kosa maizina ka te hijanona hoamin’izany.


Filàna azy, Famonjena entiny

Satria tsy hoe ilaina, mety sy mahasoa “fotsiny” ny Mazava, fa tena iankinan’ny ain-dehibe. Voa mafy ny olona mandeha amin’ny aizina, tsy mahita na mahalala izay alehany, voatohintohina, mety ho voafingana, hianjerazera sy haratra. Noho izany dia tsy « mety ho very » fotsiny izy fa tena mety hahafaty azy mihitsy aza ny fahavoazany mandeha ao amin’ny maizina. Rehefa very izy dia tsy ho tonga velively any amin’izay toerana nokendreny haleha. Ary na ho tonga aza dia, ho efa tena reraka sy maratra be na ho diso fotoana tanteraka, tsy ho nilaina intsony ny fahatongavany.

Mazava tamin’ny Famoronan’Andriamanitra

Sary mora azo sy mora raisina ny Mazava eto ary raha miandoha izao Taona Vaovao 2022 izao, dia tsaroana ny hampifandray izany amin’ilay andro voalohan’ny namoronan’Andriamanitra izao tontolo izao, ka ny noforoniny voalohany tamin’izany dia ny Mazava. Naverin’ny Apôstôly Jaona ( 1. 11) io hevitra fototra io tao amin’ny Filazantsarany saingy nomarihiny hoe« …fa ny Azy tsy nandray Azy… » Ny hafatr’ity matoan-dahatsoratra ity dia ohatran’ny miantefa manokana amin’ireo diakona sy mpiandraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny Fiangonana. Tsy diso izany, ary tena lohalaharana amin’izany mihitsy izireo, nefa mitodika tsara amin’ny mpino amin’ny ankapobeny tsara koa ny hafatry ny Fahazavana Krismasy voalazan’ny Soratra Masina fa hoan’ny olona rehetra. Tsy mitera-bokatsoa ny mikiry handeha ao amin’ny maizina, koa mba hahazoantsika mandroso ary dia antsoina samy handray Io Mazava Io isika.

L’année 2021 est maintenant révolue, constituée de son lot de joie, contrariété, tristesse…et nous voilà entamant l’Année 2022 qui démarre en trombe: les Diacres viennent d’être consacrés ou félicités, de même que les anciens et les Responsables des différentes sections de l’église. En termes de message, le Président de la FPMA lui-même nous a réitéré par la Parole de Dieu la pertinence de la lumière de Noël qu’il nous faut recevoir.

A destination de l’église, de l’individu

Les bonnes résolutions de commencer, d’apprendre à appliquer en vue de l’amélioration, du redressement ou autre ajustement sont en effet à prendre en de tels évènements. Ce qui nous renvoie à la simple assertion : nous marchons dans cette Lumière depuis Noël 2021. Est-ce réellement le cas ? Car cette même Lumière doit être celle de l'Église, tout autant que celle du croyant que nous sommes.

Effets sur son apparence, état

Ainsi donc, si par malheur nous ne L’accueillons pas, comment l’Eglise peut-elle le faire ? Et si seul un groupe répond à cet appel d’accueillir et l’autre groupe n’y répond pas, en tout état de cause l'Église ne sera éclairée qu’en partie, l’autre partie étant « dans l’ombre ». Et si de plus les Responsables ne réagissent pas, une telle obscurité n’a vocation que de se propager ! Tandis que l’Eglise a pour vocation d’éclairer, c’est le monde de l’obscurité qui gagne ! Pire, l’Eglise est devenue le monde. Telle situation s’explique par le fait qu’un premier groupe est dans la lumière et veut y rester, un deuxième groupe est dans l’obscurité et veut y demeurer, bonjour les conflits !

Son utilité, Salut engendré

En effet, il ne s’agit point seulement de son importance, de sa pertinence… on parlerait mieux de la vitalité de la Lumière. Pour celui ou celle qui marche dans l’obscurité, et donc qui risque de se perdre, de se blesser à force de se heurter par-ci, de se buter par-là, voire de trépasser dans un accident, la Lumière n’est pas nécessaire, elle est vitale, la vie en dépend ! Persister à progresser dans la pénombre n’est donc point « conseillé », car l’égarement est un moindre risque, la mort peut à tout moment y couper court. Être à l’arrivée est une fort bonne chose, mais dans une moindre mesure lorsqu’on est blessé, meurtri, inutile quand tardivement.

Lumière de la Création de Dieu

La belle image de la lumière est explicite, parlante. Dieu a originellement créé la lumière en tout premier lieu, le premier jour, avant toute chose, ce qui suggère toute l’importance d’envisager à notre tour et au tout début de cette année nouvelle 2022 de recevoir enfin Cette Lumière, Propos de l’Apôtre Jean dans son prologue en Jean 1. 11 : « …mais les siens ne L’ont pas accueilli… » Les destinataires de ce message de lumière semblent être ces Diacres et Responsables de l'Église, alors qu’ils en sont les têtes de file, mais en somme, chaque membre de l’église est franchement interpellé par les Saintes Ecritures pour enfin penser accueillir cette Lumière. Car l’entêtement à avancer dans la pénombre nous est suicidaire.

Imprimer