Filazana manjo - fianakaviana RABENAKAMBANARIVO

Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesanay fianakaviana Léonce Rabenakambanarivo fa ny malalanay

Perline RAHELINORO

Anabavin'i Léonce

dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny alarobia 4 oktobra lasa teo, teo @ faha 69 taonany.

Ny nofony dia nalevina any Ankaramalaza ny asabotsy 7 oktobra, taorian'ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra tao @ toby Ankaramalaza

"Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
Fa indro, very izay lavitra Anao; Aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy;
Hianao Jehovah Tompo ô no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho " Sal 73: 26-28

Famangiana

Alahady 12 novambra, aorian'ny fotoampivavahana

Imprimer