[FPMA Nice] Fanokanana Mpitandrina

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, 

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy   Kristy Tompo sy Lohan’ny Fiangonana 

« Izay matoky NY TOMPO dia tahaka ny tendrombohitra Ziona izay tsy mihetsika fa mitoetra mandrakizay » Salamo 125:1

Amin’ny fifaliana sy fankasitrahana an’Andriamanitra no hanasana anareo amin’ny fanompoam-pivavahana hanokanana ny Mpitandrina RAKOTO ANDRIANAVONY Toky. Izany dia kasaina ho tanterahina amin’ny :  
ASABOTSY 15 novambra 2025 amin’ny 3 ora tolakandro
Temple de la Transfiguration, 4 rue Melchior de Vogüé - 06000 NICE 

INSCRIPTION

Mangataka antsika hitondra am-bavaka izany fotoan-dehibe izany
Ho voninahitr’ Andriamanitra irery ihany.
Ny komitim-pitandremana,
FPMA Nice

Imprimer