[Pst RAKOTO Clément] Taratasy fisaorana

RAKOTO Clément, Mpitandrina sy ny zanany aman-jafiny,

dia maneho etoana fisaorana an’Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompo, fankasitrahana sy fankatelemana anareo tsirairay avy, fianakaviana, tapaka, namana:
-        Nanaiky an-tsitrapo nandray anjara, nanomana, nikarakara, nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, hatramin’ny antsipiriany rehetra, hatramin’ny fanariana lavenona aza.
-        Tonga nanatrika ny Fankalazana sy Fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahadimy ambinifolo taona nitondrany ny Tafon’i Lyon.
-        Tsy afa-nanatrika nefa nandefa solontena, satria sehatra antony samihafa na ny tsy azo nanoharana ka na dia nikasa tokoa aza dia voafefy ka tsy tonga.
-        Na tonga na tsia dia fantatray fa nitondra tamim-bavaka ny Fotoana, ka manamarina izany ny fahavitany an-tsakany sy an-davany ankehitriny.

Télécharger la suite du courrier

Imprimer