Fotoam-bavaka FPMA FATSATS - en ligne

Ho an’ny Komitim-Paritany FPMA Atsimo Atsinanana, 
Ho an’ny FMM, Tafo 7, Sampana Iraisana 8 ny Departemanta sy ny Vaomiera  FATSATS, 
Ho an’ny VAHOAKA FPMA Faritany Atsimo Atsinanana (FPMA FATSATS), 

«Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.  » Jao.9:31

Miarahaba anareo ao amin’ny Tompo Jesoa Kristy, Lohan’ny Fiangonana.

Araka ny Laminasa eto amin’ny Faritanintsika dia :
- Mahafaly anay ny mampatsiahy anareo ny Fotoam-Bavaka FPMA FATSATS isaky ny Alakamisy voalohany eo amin’ny volana – (Rohy sy laharana Zoom vaovao). Hanasana anareo MPIANDRAIKITRA sy VAHOAKA rehetra tsy ankanavaka.
Fotoam-bavaka FPMA FATSATS VISIO-CONFERENCE : 
Alakamisy 01 Septembra 2022, 20h – 21h
Accès ZOOM : https://us02web.zoom.us/j/7353958688?pwd=UXFrLzZ0clFweUdtNWtqaVgyS0h2QT09
ID de réunion : 735 395 8688, Mot de passe : 25120000
Ou confcall, Tél. 01 70 95 01 03, Code: 735 395 8688.
La salle de réunion ZOOM sera ouverte dès 19h45
Misaotra ny SAMPANA TILY FATSATS isika handrindra izany fotoam-bavaka izany.

- Mampatsiahy ny mpandrindra ny fotoam-bavaka manaraka :
▪ SEKOLY ALAHADY : 05 oct 2022 / SVK : 03 nov 2022 / SLK 01 dec 2022    
Zava-dehibe loatra ny VAVAKA. Koa manasa anao hanao izany ho laharam-pahamehana           
«Ny fahasoavana anie ho amin’izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona. Amena». Efe.6 :24

Amin’ny anaran’ny Birao sy ny FPMA Faritany Atsimo Atsinanana,
Ny Mpitandrina Mpandrindra : RAKOTO Clément
Ny Filoha, RAKOTONANAHARY Tantely

Imprimer