Histoire

TANTARAN’NY FPMA - LYON

1. Daty niorenan’ny Tafo :

Isan’ireo Tafo niorina ho FPMA hatrany am-boalohany ny FPMA – Lyon. Niato anefa ny fisiany teo anelanelan’ny taona 1976 sy 1980. Tamin’ny andro Fiakarana (Ascension) 1981 indray no “fahateraham-baovaony”.

Espace-Bancel-Lyon

 

2. Anaran’ny Mpitandrina mpandrindra nifandimby:

Haja RATSIMBA (1990 – 1992)

Falimanana RAHARINDRANTO (1992 – 1995)

Samuel RAMAROSON (1995 – 1996)

Solo ANDRIANOMENJANAHARY (1998 – 2008)

Hantamalala RAVELOARIMANGA (2002)

Marc RAKOTOARIMANGA(2008 – 2009)

Clément RAKOTO  (nanomboka ny 2009)

            Tiana indrindra ny manamarika fa talohan’ny nisian’ireo Mpitandrina mpandrindra notendren’ny Foibe FPMA, dia maro koa ny Mpitandrina nifandimby nanatanteraka fanompoam-pivavahana sy fitaizana ara-panahy ary koa asa pastoraly maro araka izay nilain’ny fiangonana.

cour villeurbanne2 
Alexandre 

 

 

3.  Ny Sampana misy  sy ny taona nijoroany :

 Antoko Mpihira : desambra 1982 à Mitondra ny anarana ‘Feon’ny fahazavana’ nanomboka tamin’ny 1995

Sekoly Alahady :  nanomboka ny septambra 1990

Mpitendry zava-maneno

STK :  nanomboka ny desambra 2000

Fifohazana :  nanomboka ny 2001

SVK : nanomboka ny janoary 2005

4. Tantaran’ny Tafo :

        4.2 - Sombin-tantara 1954 – 1976 :

 Raha tonga nandranto fianarana tany Genève ny Mpitandrina RAMINO Paul tamin’ny 1969 dia nangataka tamin’ ireo zoky ray aman-dreny mpitandrina malagasy,  izay nandranto fahalalana tany Genève koa, mba hanohizany ny famangiana sy ny fiahiana ny FPMA – Lyon, izay efa nataon’izy ireo talohan’izany taona 1969 izany. Tsy iza ireo ray aman-dreny ireo fa ny Mpitandrina isany :  RABEHARISON Jean † sy RAFRANSOA Maxime.

Tonga tsindraindray taty Lyon ny Mpitandrina RAMINO Paul araka izany .  Tamin’ny 1969 sy 1970 ary 1971 teo ho eo no nanaovany izany. Nisy ny zaza izay nataony Batisa ary nisy koa   Katekomena izay noraisiny ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo.

Tamin’ny taona 1968 dia tonga niorim-ponenana teto Lyon Atoa Andriantsoavina RAKOTOARISOA. Izy no mpiandraikitra voalohan’ny fiangonana tamin’izany, hatramin’ny taona 1976, izay nandaozany an’i Lyon.

Ny toeram-pivavahana tamin’izany dia ny Temple ERF, 50 rue Bancel tao Lyon 7e. Indray mandeha isam-bolana ny fotoam-pivavahana teto Lyon. Telopolo teo ho eo  ny isan’ny mpiangona tamin’izany : mpianatra ny an-kamaroany, indrindra fa ny mpianatra « vétérinaire ». Nisy  fiaraha-misakafo maivana (goûter) taorian’ny fotoam-pivavahana. Kely dia kely ny rakitra ary tsy ampy nandoavana akory ny saran-dalan’ny mpitandrina izay tonga namangy ny fiangonana.

Tamin’ny 1968 sy 1969 dia tonga namangy teto Lyon koa ny Mpitandrina filoha synodalin’ny FPMA,  RAMAHALY Jean.

Amin’ny ankapobeny dia fihaonan’ny samy Malagasy teto Lyon no tena zava-dehibe tamin’ny fotoam-piaraha-mivavaka fa tsy ny fampandrosoana ny fiainam-panahin’ny mpino. Tsapa izany teo amin’ny rafi-pitondran’ny fiangonana, satria nifamatotra ny FPMA – Lyon sy ny AEOM ( Association des  Etudiants d’Origine Malgache ).

     4.3 - “Fahateraham-baovao”  tamin’ny 1981:

 Raha tonga taty Frantsa hanohy fianarana Atoa RAFIDINANAHARY mivady tamin’ny volana oktobra 1976 dia tao amin’ny Eglise Réformée de Lyon  tao Villeurbanne no niangona. Pasteur Guy WAGNER † no mpitandrina tamin’izany.

1980 - Nisy fivoriana na fihaonana natrehin’ny Mpitandrina Daniel RATEFY †, sekretera jeneralin’ ny FJKM, taty Frantsa, ary tao amin’i Pasteur WAGNER † mivady no nivantanany sy nitoerany nandritra izany fivoriana izany. Nampahafantarin’i Pasteur WAGNER † azy fa misy mpiangona malagasy telo mianaka, fianakaviana RAFIDINANAHARY, ao amin’ny fiangonany,  ary nanontaniany raha te-hihaona amin’izy ireo izy. Dia tanteraka ny fihaonana, ary tamin’izany no nampahafantaran’ny Mpitandrina Daniel RATEFY † ny fisian’ny FPMA sy ny rafiny : Birao nasionaly, Tafo…

1981 (Andro Fiakarana) :  Tonga teto Lyon Andriamatoa Benoule RASIDIMANANA    nanatontosa ny fihaonana voalohany, narahin’ny fampijoroana indray ny FPMA – Lyon.

Tany amin’ny toeram-pianarana (Université) no naleha voalohany hijerena izay  Malagasy mety ho hita.   Tamin’izany no nahafantarana fa isaky ny sabotsy dia any amin’ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena INSA no fihaonan’ny Malagasy maro. Koa tany amin’izany toerana izany no niandohan’ny “fanaratoana olona”  sy fitaomana, ary izay nahalala ny fikasana hanorina Tafo FPMA dia samy nampiely sy nampandre ny havana, tapaka sy namana ary olom-pantatra. Tsapa teny am-pizorana fa nila sy naniry izany fifandraisana sy fifampikasohana izany ny Malagasy aty am-pielezana an-tany lavitra aty, ka azo lazaina fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanazavana sy fitarihan’ny Fanahy Masina dia   “nitombo an-dalana tahaka ny dian’andriana” ny isan’ny mpiara-mivavaka.

In-dray mandeha isam-bolana  no niangona tany am-piandohana, dia ny alahady voalohany amin’ny volana. Tsy nisy mpitandrina fa ny mpiangona   no nifarimbona sy niara-niasa nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana, araka izay fahalalana sy fanomezam-pahasoavana ananany avy, na tamin’ny fitarihana fotoana, na fitorian-teny na fitendrena orga.

montchat

    4.4 - Ireo vanim-potoana manokana :

1982 ( Volana Desambra) : Hetsika voalohany nataon’ny Antoko Mpihira, niaraka tamin’ny mpiangon’ny ERF.

1983 (Volana Jona) :   Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana voalohany,  tao amin’ny Centre Culturel Oecuménique (C.C.O.).

1986 (Volana Mey) :  Nankalaza ny fahadimy taonan’ny « fahateraham-baovaony »  ny FPMA- Lyon, tamin’ny alalan’ny fampisehoana rindran-kira  “TAKARIVA AN-TANIN’OLONA”.

1990 (Volana Febroary) : Fananan’ny FPMA – Lyon Mpitandrina mpandrindra voalohany.  Loharanom-panavaozana lehibe teo amin’ny fiainan’ny fiangonana tokoa izany.

1990 (13 aprily): Fankalazana voalohany ny Zoma Masina.

1991 (27-28 aprily) :  Nankalaza ny fahafolo taonan’ny “fahateraham-baovaony”  ny FPMA- Lyon, tamin’ny alalan’ny Thé-concert, nitondra ny lohateny hoe “FITIAVANA”, sy fotoam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra izay natrehin’ Andriamatoa Benoule RASIDIMANANA, filoha nasionaly taloha.

1991 (01-02-03 Novambra) : Zaikabe FPMA :  Teny faneva : “Avia, Fanahy Masina ô ! Havaozy ny voahary manontolo”. Fifidianana ny ‘logo’ FPMA izay mbola manan-kery mandrak’ankehitriny.

1992 : Fanokanana ireo Diakona voalohany notanterahan’ny Mpitandrina synodaly Richard RAKOTONDRAIBE

1995  (7 jona) : Fijoroan’ny FPMA – Lyon ara-panjakana tao amin’ny Préfecture du Rhône.

2000 (Pentekosta) : Jobily faha-40 taonan’ny FPMA, famangian’ny Mpitandrina Daniel RALIBERA ny FPMA – Lyon

2006 (Volana Oktobra) :  Fivoahan’ny laharana voalohan’ny Gazetin’ny Tafo

2008 (Volana Janoary) : Fanokanana ireo Loholona voalohany.

2009 (oktobra) : Jobily faha-50 taonan'ny FPMA

2010 (29 mey) : Fanokanana Mpitandrina matihanina voalohany, dia ny Mpitandrina Clément RAKOTO. Izy kosa dia voahosotra ho Mpitandrina tamin’ny 29 janoary 2011 (fotoam-pivavahana natao teto amin’ny FPMA - Lyon)

 2015 (novambra) Jobily faha-55 taona FPMA Lyon

Imprimer