[FPMA Grenoble] Fetim-piangonan’ny Tafo FPMA GRENOBLE

grenoble2023

Ho an’ny Birao Foibe FPMA,
Ho an’ny Mpiandraikitra rehetra isan’ambaratongany eto amin’ny FPMA, 
Ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra eto amin’ny FPMA,
Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 

Noho ny Fahasoavan’Andriamanitra dia hotanterahana ny Fetim-piangonan’ny Tafo FPMA GRENOBLE, ny alahady 26 novambra 2023
Fanompoampivavahana manomboka amin’ny 10 ora maraina
Fampisehoana miaraka amin’ny Tarika ANTSA PRAISE amin’ny 2 ora folakandro
Eny amin’ny ESPACE AGORA - Place de l’Agora 38330 SAINT-ISMIER

Koa fifaliana ho anay ny manasa anareo hitondra am-bavaka izany fotoana izany ary hifanotrona hiara-hidera an’Andriamanitra sy hiara-paly aminay.

Azonareo atao ny mandray anjara manohana ny hetsika amin’ny alalan’ny rohy:

https://tafo.fpma-grenoble.fr/antsa-praise2023 

Manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho aminareo.

Imprimer E-mail