[Filazana Manjo] Fianakaviana RABEMIHOATRA

Ho an’ny Mpitandrina sy ny Mpiandraikitra isan-tsokajiny eto @ Tafo FPMA Lyon,
Ho an’ny Sampana SVK ; FFL ; SLK ; STK sy ireo sampana velona eto @ Tafo,
Ho an’ny Mpiara-mivavaka eto @ Tafo FPMA Lyon,

Amin’ny alahelo lehibe no ampandrenesinay anareo fa i
RAHANTAMALALA Noro,
Rahavavin’I Clémence dia niamboho ny Alakamisy 04 Décembre 2025 lasa teo.
Ny vatamangatsikany dia efa nafenina tao @ fasan-drazany ny Alahady 07 Décembre 2025 lasa teo.
Misaotra sahady ireo izay efa nidodododo sy nanome teny fampaherezana anay fianakaviana ary mialatsiny be dia be ho an’ireo tsy tratra anso noho ny afenoan-drano be loatra.

Dia mametraka ny fiainantsika rehetra eo ambany fiahian’ny Tompo.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.
Ny Fianakaviana Rivo sy Clémence RABEMIHOATRA

Faire part Noro

Imprimer E-mail

[VOKATRA II 2025] Concert Antsa Praise

"Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika." Salamo 67:6
 
Ho famaranana ny fanateram-bokatra II dia manasa anao ny FPMA tafo Lyon hanatrika ny Concert Gospel fiderana miaraka @ ANTSA PRAISE
ny sabotsy 6 desambra 2025 @ 6 ora sy sasany hariva ao @ Espace Protestant Theodore Monod 22 rue Romain Rolland 69120 Vaulx-en-velin.
 
Hisy ny varotra tsakitsaky eny an-toerana.
Manantena ny fahatongavanareo maro hiara-hankalaza ny Tompo!
 

Imprimer E-mail