[FLME] Fanokanana Katekista

“Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.” Lioka 1 : 28

Ry havana malala,

Ho ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’  Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika. Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia hanatanteraka ny fanokanana ny Katekista,

Rtoa. RAMARIJAONA Sylvia ny FLME LYON ny Alahady 10 Desambra 2023 manomboka amin’ny 10 ora maraina.

Fifaliana ho anay ny manasa anareo mpianakavin’ny finoana hanatrika sy hanotrona izao fotoan-dehibe izao, izay ho tanterahina ao amin’ny 12 rue Fénelon – 69006 LYON. 
Ao aorian’ny Fotoam-pivavahana dia fifaliana ho anay ny manasa anareo hiara-misakafo ao amin’ny Paroisse de Meyzieu – 61 avenue de Verdun – 69330 Meyzieu.

Maniry ny fahatongavanareo izahay sy ny fitrotronareo am-bavaka izany fotoan-dehibe izany.

Mba hahafahanay mandamina ny fotoana dia mangataka anareo mba hanome ny isan’ny olona izay mikasa ny ho tonga tompoko alohan’ny Asabotsy 02 Desambra 2023 any amin’ny Filoha , Atoa. RAMAROTAFIKA Liva  - Tél : 06 72 83 40 49 ; e-mail : Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.

Mirary sy maniry ny fiadanan’ny Tompo ho aminareo izahay no sady mametraka  veloma finaritra samy ho tahian’i Jesosy Kristy Tompo.

Pastora Dr. HABBERSTAD Rakotondrazaka
Pastora RAZANALISY Daniel
Kt. RAMARIJAONA Sylvia
Ny Komity FLME LYON

Imprimer E-mail