• Accueil
  • Annonces
  • [ FPMA Grands Champs ] Fanampiana Pst Emma RANDRIANANDRASANA

[ FPMA Grands Champs ] Fanampiana Pst Emma RANDRIANANDRASANA

Hoy ny Tompo amintsika: "mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy" - Gal 6, 2.
Hoy koa isika Malagasy: "Ny tao-trano tsy efa irery ary trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana."

Ireo teny roa ireo no entinay eto amin'ny faritany afovoany atsinanana manentana anareo satria traboina ny Ray amandreny mpitandrina RANDRIANANDRASANA Emma Claudine mivady fa may ny tranon'izy ireo ka tsy azo hipetrahana intsony. Ankehitriny dia mipetraka any amin'ny hôtely izy ireo ary lafo dia lafo no hofan'izany satria mbola izy mivady no mandoa  mandram-pivaly ny taratasy fandraisana antanana.

Izany no hiantsoana sy hanentanana antsika noho'ny maha-iray antsika ka hanaovana izao antso izao:
- Ho an'izay manana trano (maison, appartement) eto amin'ny ILE DE FRANCE ka afaka hampanofaina mba hifandray amin'izy ireo ka hanao tolotra. 
- Ho an'ireo terem-panahy ka afaka hanampy azy ireo ara-bola dia hisaoran'izy mianakavy an-tanandroa sahady.Ny tafo Grands Champs  dia efa nanokatra  rohy na cagnotte hitondrana fanampiana:
- Rohy "cagnottes en ligne" : https://paypal.me/pools/c/8tw4EIB470?fbclid=IwAR1qJpQyzRBSopYSwPy-33YnFMJ4o48HEfvufYTJQVquX1OaNZ-OEoAC8dc
- Azo atao ny mandefa Chèque amin'ny anaran'ny mpitandrina 
        Emma RANDRIANANDRASANA, FPMA GRANDS CHAMPS, 47 RUE DULONG 75017 PARIS.
- Azo atao  ny mifandray aminy mivady mivantana : Finday: 06.71.97.25.82 na mailaka : Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.

Misaotra anareo sahady amin'ny fanampiana sy tolo-tanana ataonareo.

"Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany." Heb 6, 10.

Apetraka amin'ny Tompo ny fikasana rehetra ary ny fanahy masina hanilo antsika. Manonona ny fiadanan'ny Tompo ho aminareo sy ny fianakavianareo.

Mpitandrina mpandrindra ny FAFATS, Pasitera RANDRIAMANANTENA Théodore Raphaël
Filohan'ny FAFATS, RABE Edson
Filohan'ny tafo Grands Champs, RAKOTOMALALA RABOANARIJAONA Solofo