Raharaham-piangonana 23 Martsa

Assemblée Génerale

Ireto avy ny tanisa dinika tamin' izany:

- ny tatitra ara-bolan'ny fiangonana, ny sampana ( taona 2013)
- ny fankatoavana ny tatira ara-bola 2013 ahafahana manome qittus ireo mpitahiry vola
- Tetibola (budget) 2014 : compte fiangonana, Choeur Uni
- Rapport d'activité Mars 2013 - Février 2014
- fananganana ny sampana Tily eto amin'ny Tafo Lyon.


Zaikabe faritra Atsimo-Atsinanana

Mikasika ny zaikabe ny 10-11 mey any Annemasse dia efa nambara teto fa ireo olona 50 voalohany misoratra anarana ka hanao pension complète dia ahazo fanampiana 25€ avy @ fiangonana.Mbola misokatra hatramin'ny 7 aprily ny fisoratana anarana .


Fiofanana Projet Laika (Faritany)

Fiantsoana fiofanana avy amin'ny Projet Laika eto amin'ny Faritany.
Araka ny efa volaza teto tamin'ny heriny androany dia ny sabotsy 29 martsa izao ny hisian'ny fiofanana ho an'ny mpitambola sy ny logiciel tahiry any Nice

3 Rue Pierre Devoluy - 06000 Nice

Atoa Ranaivosoa Heriharijaona no hitondra ny fiofanana arak'izao fandaharana izao :

- Fampianarana momba ny comptabilité associatif orienté association cultuelle,
- Fampiharana avy hatrany amin'ny fampiasana "tahiry".

Amporisihina ireo izay manana solontsaina (PC portable) hitondra izany amin'ny fampiharana.
Ny fiofanana dia hamomboka amin'ny 10 ora maraina ary miafara amin'ny 4 ora hariva.
Ny fisoratana anarana dia hatramin'ny alarobia 26 martsa izao.
Hisy fandraisana anjara 7 € amin'ny fikarakarana ny sakafo atoandro.

Ho an'ireo mila fanazavana fanampiny dia afaka mandefa mailaka an' Atoa Andry Rabehasy -amin' ity adiresy ity: Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra Irery ihany

Amin'ny anaran'ny Projet Laika
Andry Rabehasy/ Jean-Solo Rafidinarivo/ Serge Rajaofetra


Fivorian'ny Sampana Vehivavy Kristiana

Ny asabotsy 5 avril 2014 manomboka amin'ny 2 ora sy sasany ka miafaraamin'ny 4 ora 30 dia miantso ny vehivavy rehetra tsy haka navaka ho tonga hivory eto amin'ny EPTM sy hanatevin-daharana ny sampana.Am-pitiavana no handrainay anareo.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Birao SVK.

 


Rakitra

Ny rakitra voaray tamin'ny heriny anio dia narotsaka iray manontolo ho vonjy rano vaky fianakaviana iray namoy hava-malala tany amin'ny tafo FPMA Toulouse ahafahany mandefa ny razana any an-tanindrazana.

Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Misaotra tompoko.

Imprimer E-mail