[FPMA Grenoble] Filazana Manjo fianakaviana RASOLONJATOVO, famangiana

Famangiana manjo_ FPMA FAtsAts_Asabotsy 04 Martsa _8 ora sy sasany alina ’.

Miarahaba amin’ny Anaran’Ny Tompo ny Mpitandrina, ny Filohan’ny Tafo ary ny Mpiandraikitra rehetra eto amin’ny FAtsAts.

‘Fa raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo ; ary raha maty isika, dia maty ho an’ny Tompo ; koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’ny Tompo ihany’ Rom.14:8.

Izany andalan-tsoratra masina feno fahatokiana sy fanantenana ao amin’Ny Tompo izany no mbola hampaherezana ny fianakaviana sy isika mianakavy noho ny fodiamandrin’ny havantsika :

Ramatoa RASOLOARISOA Harinambinina Fanjanirina Sahondra , anabavin’ny Mpitandrina RASOLONJATOVO Harminot_FPMA Grenoble;
tany an-tanindrazana ny alarobia 15 febroary 2023 rehefa nivahiny 53 Taona teto an-tany.

Ny fandevenana moa dia efa vita tany an-toerana.
Ny Famangina manjo  iraisan-tsika eto amin’ny FAtsATS sy izay rehetra afaka mifanotrona amin’izany dia hatao ny Asabotsy 04 Martsa 2023 amin’ny 8 ora sy sasany alina amin’ny alàlan’ny Zoom FAtsAts

Rohy ZOOM: https://us02web.zoom.us/j/7353958688?pwd=UXFrLzZ0clFweUdtNWtqaVgyS0h2QT09
ID de réunion : 735 395 8688, Mot de passe : 25120000

Ou confcall, Tél. 01 70 95 01 03, Code: 735 395 8688.

Ho an’ireo izay maniry handefa taratasy fampiononana na handray anjara famangina nohon’ny tsy fahafahantsika mifanatrika dia azo alefa amin’ny adiresy :
RASOLONJATOVO, 28 Rue Pierre Sémard, 38950 Saint-Martin-le-Vinoux.

Amin’ny maha-iray antsika ao amin’ny Tompo dia mangataka antsika hahatsiaro sy hitondra amim-bavaka manokana ny fianakaviana, ary ny Fanahy Masina no hampahery sy hampionona feno azy ireo ho voninahitr’Andriamanitra..

Mifalia amin’ny fanantenana, miareta amin’ny fahoriana, mahareta amin’ny fivavahana. Rom.12 :12

Manonona ny Fiadanan’Ny Tompo ho antsika rehetra.
Amin’ny anaran’ny Birao FATSATS

Imprimer E-mail