[FPMA Grenoble] Filazana manjo - Fianakaviana RAMANANANAHARY Ando

«Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany.» Jakoba 1:27

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Amin’ny finoana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary amin’ny maha-iray antsika ao amin’ny Tompo no ampandreneseana anareo fa nantsoin’ny Ray ho eo anilany, ny alahadin’ny Pentekosta 19 mey 2024 teo:

Itompokovavy RANDRIANARIVELO Annick,
teraka RAMANANJANAHARY, 
Anabavin’Atoa RAMANANJANAHARY Ando,
Filoha mpanampy ato amin’ny FPMA GRENOBLE

Ny fandevenana dia efa tontosa ny zoma 24 mey 2024 teo.

Mangataka ny rehetra hitrotro am-bavaka ny fianakaviana manontolo amin’izao fisaharahana izao.

Azontsika hatao ny mitondra fampaherezana ny fianakaviana amin’ny SMS / WHATSAPP: +33 6 12 20 68 45 (RAMANANJANAHARY Ando).

Araky ny fandaminana niarahana tamin’ny fianakaviana, ny fampaherezana azireo hiarahan’izay tratr’antso eto Grenoble sy ny manodidina dia hotanterahina ny alahady 02 jona 2024 amin’ny 12 ora sy sasany ao amin’ny 28 rue Léon Jouhaux 38100 GRENOBLE, aorian’ny Fanompoampivavahana hataon’ny FPMA GRENOBLE.

Ho an’ireo maniry hampahery ny fianakaviana dia azo atao koa ny manao izany amin’ny leetchi: 

https://tafo.fpma-grenoble.fr/ramananjanahary

Manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho aminareo.

Imprimer E-mail