Filazana manjo, fianakaviana BONNAMOUR

Ny fianakaviana BONNAMOUR dia mampandre antsika fa nodimandry ny zoma 16 aogositra 2024 i 

Bruno BONNAMOUR

Ho hitantsika eto ny tohin'ny vaovao sy ny fandaminana.

Eny amin'ny Chambre funéraire, Hôpital Sud Pierre Bénite no misy ny razana ary afaka vangiana manomboka ny alatsinainy 14h00 - 19h00, talata 7h00 - 19h00.
Famangian'ny fiangonana ny talata 20 aogositra 2024 @ 18h00 eny @ Chambre funéraire.
Samy mitondra sakafo maivana sy zava-pisotro @ io fotona io.

Fotoampivavahana ny alarobia 21 aogositra 2024 @ 10h00, eny @ ny Eglise Catholique de St-Genis Laval.
Ny fandevenana dia ny  alarobia 21 aogositra 2024, eny @ Cimetière de St-Genis Laval.
Hisy fiaraha mialahetaheta aorian'ny fandevenana, ka samy mitondra sakafo maivana sy zava-pisotro, hifampizarana.

4baf5d04 631a 40e8 9fc7 8fd3bb6516f5

Taratasy fisaorana

Miarahaba ny fiangonana sy ny sampana Velona rehetra eto amin'ny Fiangonana izahay vady amanjanak'i Bruno Bonnamour sy ny fianakaviana aty Ary ny any Madagascar noho ny fiaraha-miory nataonareo taminay.
 
Be loatra ny fitiavana nasehonareo taminay,ny fotoana laninareo, miaraka amin'ny vola aman-karena,fanehoana ny maha iray antsika sy miara mizaka ny fahoriana amin' ny mpiray tanindrazana sy iray ao amin' ny Tompo antsika.
 
Misaotra sy mankasitraka antsika malagasy ny fianakaviana vazaha amin' ny firaisankinantsika .
Finaritra sy ravo ry zareo amin' ny hakanton'ny kolontsaina sy ny hira fiderana natao nandritra ny fisaorana an'Andriamanitra sy fanaovam-beloma an'i Bruno Bonnamour tao amin' ny fiangonana St Genis Laval.
 
Misaotra ny sampana Tily sy ny Fifohazana Ary ny fiangonana manontolo nanampy tamin'ny fikarakarana rehetra natao ka nahatsara levenana ny havanay.
 
Andriamanitra irery izay manana ny ampy sy feno fahasoavana rehetra Anie no hamaly fitia sy ny soa rehetra vitanareo taminay,tsy voavalinay ny vitanareo sy ny fitiavana be natolotrareo ho anay.
 
Bonnamour Sitraka, Valiha, Sodina Ary ny fianakaviana manontolo.

Imprimer E-mail