[FLME Lyon] Fanasana fanokanana katekista & diakona
"Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha ; aza matahotra na mivadi-po , fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao" (Josoa 1:9)
Ampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
Ho tontosaina ny Alahady 23 Novembre 2025 manomboka amin'ny 9 ora sy sasany maraina ny fanokanana ny mpanompon’Andriamanitra :
* Katekista RAMAROTAFIKA Nambinitsoa Liva
* Diakona CARPAYE Robert sy Aimée mivady
Koa hafaliana ho anay eto amin'ny FLME Lyon, Pastora sy Komity ary ireo ho hatokana ny manasa anareo, mpianakavy ny finoana hanatrika ny fotoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra ny Tompo izay niantso, ao amin'ny FLME Lyon , 12 Rue Fenélon 69006 Lyon.
Ao aorian'ny fotoana ho mariky ny fifaliana dia hisy fiarahana misakafo izay hatao ao amin'ny Maison Paroissiale Coeur de Marie, 33 Avenue Général Leclerc 69100 Villeurbanne.
Manao veloma sy manonona ny fiadanana avy amin’I Jesosy Kristy Tompo ho anareo.



