[Tily] Rentrée pédagorique et alahadin'ny Sampana
« Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany. » - 1Tesaloniana 5:11
Ny Tily dia manasa antsika hanatrika ny weekend de rentrée et d’ouverture pédagogique izay ho tanterahana ny 17-18 octobre izao. Ny alahadin'ny Sampana ny 18 oktobra, @ 3 ora sy sasany eto @ EPTM

Toy izao ny fandaharam-potona amin’izany :
- Ny ankizy 8 ka hatramin’ny 19 taona dia asaina ny ho tonga manatrika ny activités ny asabotsy manomboka amin’ny 8h30 - alahady 12h atoandro, toerana Les Associations Africaines - Les Cartieres, Chaponost
- Ianareo raiamandreny izay maniry hanatrika ny takariva dia afaka tonga ny asabotsy amin’ny 20h eny an-toerana
- Ny fara-fisoratana anarana dia amin’ny alahady 11 octobre ho avy izao
- Ny alahady 18 octobre dia alahadin'ny sampanasady fanokafana ny taom-pitaizana ary hisy fanekena mpiandraikitra
Raha mila fanazavana fanampiny , dia afaka miantso na manoratra amin’ny contact eo amin’ny flyers.



