Boky nosoratan'i Pasteur Zozo RANDRIAMANANTSOA

Ry havana,

Ampitoimboina aminareo anie, ny Fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andreiamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo.

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia vita soamantsara ny boky izay nosoratan’i Pasteur Zozo Randriamanantsoa na dia teo aza ny fahasarotana rehetra noho ny toe-pahasalamany. Azo atao ny manao commande isa-tafo ary ampitaina amin’ny Mpitandrina Mpisolo toerana Fara Rajarisoa eto Nice izany. Izy moa dia sady vaomiera rahateo. Misy ny fiche de suivi hanoratana ny boky lafo izay alefanay isa-tafo ihany koa. Manentana sady mangataka anareo izahay fa sady fahatsiarovana no fandraisana anjara izany.

Mifanandrify indrindra izao fotoana hamoahana ny boky izao amin’ny tsingerin-taona faha 54 nahaterahany koa izany rehetra izany dia isaorana an’Andriamanitra.

« Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona. » Kolosiana 3/23

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Ho aminareo ny Fiadanany.
Ny Mpitandrina RAJARISOA Fara
Ny Komitin’ny Tafo
Ny Vaomieran’ny Jobily faha 20 taona


flyer boky pasteur

Fiche de suivi à télécharger

 

Imprimer E-mail