Alahadin'ny SZM Harmonia

SZM 2020

Ry Havana,

Tanteraka soamantsara tamin'ny 21 jona 2020 lasa teo ny alahadin'ny sampana zavamaneno eto amin'ny tafo FPMA Lyon: HARMONIA. Misaotra an'Andriamanitra izahay nitahy sy niara-dàlana taminay nandritry ny fotoana rehetra nanomananay iny Fotoampivavahana iny.

Mankasitraka sy misaotra anareo Mpiara-mivavaka eto amin'ny Tafo FPMA Lyon koa izahay tonga maro nanotrona anay sy nanaraka an-tsary tany antokantrano .Ny Tompo anie mbola hitahy sy homba anareo ka mbola hifankahita ampifaliana isika.

Misy 20 DVD sy CD 2019 mitahiry ireo sangan'asan'ny SZM HARMONIA namidy tamin'io fotoana io.
Isaorana ny Tompo sy ireo izay nandray anjara nividy fa dia lafo ny 20 DVD ary mbola misy ambiny koa ny CD.Ireo izay mbola te-hanana izany any antokatranony anefa dia mbola afaka manao "commande" aminay :
Abel RANDRIAMANANORO :  Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.
Victor RAMINOSOA : Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.

Homba sy hitahy antsika mianakavy anie ny Tompo

cdharmonia

Imprimer E-mail